mercredi 7 septembre 2016

MANANTENA AHO

"Raha mbola misy koa ny farany, dia tsy ho foana ny fanantenanao!"
Teny mampitombo hatrany ny herim-pon'ireo mpanoratra zandriny izany ankehitriny. Vanim-potoana tena marefo izao noho ny fanilihana an-kolaka ny teny malagasy. Midradradradra etsy sy eroa ireo fikambanana isan-tokona milaza fa tia ny teny malagasy nefa indrisy fa ny mifanohitra amin'izay no zava-misy. Raha tsy hilaza afa-tsy ny haino aman-jery tsy manaraka fitsipika fa dia bontolo fotsiny izao rehefa manoratra. Ny gazety sy ny peta-drindrina tsy lazaina intsony. Hanao ahoana ihany ary isika ity atsy ho atsy? Manantena anefa isika ary miandrandra mafy ny hananan'ny tenintsika fahalalahana tanteraka eto Madagasikara.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire