Ndao hifanampy
mercredi 7 septembre 2016
NY EJA rehefa mihetsika
Araho ato ny hetsika notanterahin'i Ny Eja mpanoratra raha mahaliana anao. Ity rohy ity koa dia ahitanao ny poetawebs izay tranonkala mampiroborobo ny asa soratra.
MITSANGANA...
Tsy misy mafy tsy laitran'ny zoto hoy ny fitenenana. Mitsangana dieny malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony. Samy fiteny mahazatra daholo izany. Aiza ho aiza tokoa isika malagasy amin'ny fahavitrihan'ireo firenenana hafa amin'ny lahasa atao? Mizara ora 8 in-telo ny 24 ora isan'andro ary mahaiza mandanjalanja ireo ora ireo. Ny fahaizanao mandamina sy mizara izany no hahitanao tombony mahasoa kokoa hatrany.
Herezo ary e
Herezo ary e
MANANTENA AHO
"Raha mbola misy koa ny farany, dia tsy ho foana ny fanantenanao!"
Teny mampitombo hatrany ny herim-pon'ireo mpanoratra zandriny izany ankehitriny. Vanim-potoana tena marefo izao noho ny fanilihana an-kolaka ny teny malagasy. Midradradradra etsy sy eroa ireo fikambanana isan-tokona milaza fa tia ny teny malagasy nefa indrisy fa ny mifanohitra amin'izay no zava-misy. Raha tsy hilaza afa-tsy ny haino aman-jery tsy manaraka fitsipika fa dia bontolo fotsiny izao rehefa manoratra. Ny gazety sy ny peta-drindrina tsy lazaina intsony. Hanao ahoana ihany ary isika ity atsy ho atsy? Manantena anefa isika ary miandrandra mafy ny hananan'ny tenintsika fahalalahana tanteraka eto Madagasikara.

Inscription à :
Articles (Atom)